Nahomby amin'ny ankapobeny ny Fandaharan'asa PLAE-IV eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Namatsy vola ny Fiaraha-miasa Alemana KFW sy ny Governemanta Malagasy. Fandaharan'asa nandritra ny 5 taona, niasa tamin'ny Faritra miisa 4 teto Madagasikara : Sofia, Amoron'i Mania, Matsiatra-Ambony ary Ihorombe...

 Fandaharan'asa natao iarovana ny fikahon'ny riaka ny nofon-tany, ny fambolen-kazo, ny fampivondronana ny mpamboly hazo ary ny fampisitrahana ny tantsaha ny zon'izy ireo amin'ny fananan-tany ny PLAE-IV. Ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fampiroboroboana ny famokarana ny eny ambanivohitra no tanjona nokendrena...

Fokontany miisa 197 avy amin'ny Kaominina miisa 35 no nisitraka ny Fandaharan'asa tany amin'ireo Faritra niasany. 4600 ireo tokantrano no nisitraka izany. 7700 Ha no veleran-tany voavoly hazo nambolena raha 6000 Ha no tanjona. 1600 Ha no tany fambolena voaaro amin'ny fikahon'ny riaka raha 1430 Ha no tokony notratrarina... 48% amin'ireo tany ireo no efa nahazo kara-tany. 3000 amin'ny 5000 isa ny kara-tany no voazara. 207 ny fikambanana voatsangana raha 150 no vinavina...

Nanatsara ny fari-piainan'ireo tantsaha ihany koa ny fisian'ny Fandaharan'asa. Maro ny tantsaha nahazo traikefa amin'ny fiarovana ny tany famokarany. Nitombo ny fandriam-pahalemana noho ny fanamorana ny fisitrahana kara-tany ary nanova toe-tsaina satria mavitritra amin'ny fambolen-kazo ny olona... Nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny 06 septambra 2022 tao Fianarantsoa ny Fandaharan'asa PLAE-IV...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...