Niomana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy tao an-tranon'ny raiaman-dreniny ny lehilahy sy ny vehivavy vao nanapa-kevitra hanorin-tokantrano. Hanangana fianakaviana izy ireo ka tonga : ray, reny. Mila manana tanjona eo amin'ny fifandraisana, amin'ny fanabeazana ny zanany. Miara-manangana ny filan-kevi-pianakaviana izy rehetra ao mba hanomezana sehatra ny zanaka, mianatra manetry tena ny lehibe.
Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.
Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Rober tamin'ny fampiasana azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary...
Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara.
Tranga niainana sy nanakorontana ny fiainam-piaraha-monina tato ho ato, ny fakana an-keriny. Araka ny fanadihadiana, dia hita fa ny zava-mahadomelina no tao ambadik'io fakana an-keriny io. Manentana ny ray aman-dreny, araka izany, hanabe sy hifanakalo hevitra amin'ny zanaka, hanara-maso sy hiaro azy ireo manoloana ny fifandraisana sy ny fisafidianana ny namana sy ny olona hifaneraserana, hampahafantatra azy ny tokony hatao manoloana ny zava-mahadomelina sy ny fitarihan'ny namana...
Nivahiny teto Madagasikara nanomboka ny 25 jona teo hatramin'ny 3 jolay lasa teo ny tale jeneralin'ny Africa-Rice na ny Foiben'ny Vary aty Afrika, Dokotera Harold Roy Macaulay. Izy izay sady talem-paritra ho an'ny Afrika atsinanana eo anivon'ny vondron'ny fakan-kevitra ho an'ny fikarohana ara-pambolena iraisam-pirenena na ny CGIAR...
Misy karazany maro ny aretina mety ahazo ny tranon-jaza eo amin'ny vehivavy, mba tsy ho tara loatra ny fitsaboana dia tsara ny manantona ny mpitsabo raha vao misy tranga hafahafa eo amin'ny amin'ny manodidina ny kibo sy ny fivaviana na rera-dava. Ireto misy karazan'aretina : Endométrite, fibrome, omamiadan'ny tranon-jaza sy ny vozon'ny tranon-jaza, tsy fahatomombanana ao amin'ny tranon-jaza. Misy tranga tokony ampiahiahy ireto, izay tokony handrisika ny vehivavy hitsabo tena : mandeha ra tsy ara-potoana, manaintaina ny andovania, manana olana amin'ny fivalanan-drano sy vetiny...
Feno 10 taona tamin'ity taona 2022 ity, no nijoroan'ny TAFO MIHAAVO. Ny talata 22 mey 2012 no nijoro tany ANJA, Kaominina ambanivohitra Iarintsena, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra-ambony ny TAFO MIHAAVO na ny TAmbazotran'ny FOkonolona MIaro ny HArena VOajanahary. Namondron-kery ireo Vondron'olona Ifotony na ny VOI miisa 400 avy amin'ny Faritra 17 mba tsy hiady irery intsony rehefa misy ny tsindry mihatra. Tsy izay nefa no mitranga 10 taona aty aoriana.
Ao anatin'ny volana jona no natokana ho iray volan'ny "teny malagasy". Andrianiko ny teniko fa ny any hafa ihany koa ho feheziko, ity fomba fiteny ity dia maneho fa manana ny lanjany teny Malagasy. Ny teny dia manana ny hasiny izay rindrandamina avy amin'ilay Nahary. Manodidina ny "teny" dia ahitana taratra ny kolontsaina sy izay mahaizy ny firenena iray. Fandaharana "Miaina sy mitia".Ny teny dia fitaovana entina hifaneraserana amin'ny hafa ary izay no mandrisika antsika hifehy ny tenin'ny hafa, izany anefa tsy natao hanariana ny kolontsaina mahamalagasy...
Ny vanim-potoana ririnina dia mangatsiaka, tokony tsy hatao ambanin-javatra anefa ny fahadiovana : tanana, tongotra, vatana ary loha. Ny sokajin'olona rehetra dia tokony hidio daholo, zaza hatramin'ny lehibe ; ka in-droa isanandro raha vita dia ny maraina sy ny hariva. Ny olona tsy mandro dia tsy hahazo hafanana mihitsy satria tsy misokatra araka ny tokony ho izy ny maso-kodiny. Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana isan'izany ny akanjo sy vatana. Ilaina ny manao mafana satria raha magatsiaka loatra dia mandany hery "énergie" betsaka. Miezaha misakafo maro loko, madio sy mafana ary ara-potoana...
Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco