27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.
Talata 31 marsa 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30 — Ny tenin'Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy ; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay.
Alatsinainy 30 marsa 2020 — Herinadro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11 — Manantena ny Tompo ny fnahaiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.
Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
25 marsa — Mampahatsiahy antsika ny andro nandraisan'i Maria tao Nazareta ny filazan'ny arkanjely Gabriel fa hitoe-jaza izy, ity andro ity. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia ny Fanahy Masina no hanorotoro io zaza io ao an-kibony.
24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.
Sabotsy 28 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Zoma 27 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 2. 10. 14. 25-30 — Izaho no fanangananany fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.
23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.
Alakamisy 26 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco