24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.

Rehefa maty ny rain'i Catherine dia lasa nifindra tany Roma i Brigitte reniny, nandeha nanamasin-tena no anton-diany tany. Naniry ny hanara-dia azy koa i Catherine, ka rehefa nilaza izany tamin'ny vadiny dia notsofiny rano, fa io vadiny io diamaty fotoana kely tao aorian'izay. Niara-nivavaka, nanao fivahinianana masina sy namangy fiangonana ary namangy ny fasan'ireo martiry no nataon'izy mianaka. Niaraka nanao ny fampiasam-panahy izy ireo ary niaraka nanao ny fampijalian-tena ihany koa.

Maro ireo tompomenakely romanina no naka fanahy an'i Catherine ho amin'ny fanambadiana fa hainy hatrany ny niala tamin'izany noho ny asan'Andriamanitra mahagaga. Ny hafaliany dia ny fahambaniany eo imason'ny olona. Adiny efatra tsy ankiato isan'andro izy no mandohalika, mibanjina ny fijalian'Ilay Mpanavotra, kapoka mahatsiravina no asetriny ny vatany mba hitoviany amin'Ilay Kristy modelim-piainany. Nitsabo ny marary izy, nikarakara ny ratran'izy ireo any amin'ny hôpitaly, ary izay no tena nahafinaritra an'i Catherine teo amin'ny fiainany. Ny tany sy ny vato no mba kidoro hatoriany amin'ny alina.

Rehefa maty ny reniny dia nentiny niverina tany Suède ny taolambalony. Hafaliana no nandraisan'ireo kristianina tao Suède azy. Tao aorian'izay dia nitoetra tao Suède i Catherine, nanohy ny fampijalian-tenany tany amin'ny trano fitokana-monina mandram-pahafatiny. Kintana manjopiaka no nadrakotra ny habakabaky ny trano fitokana-monina nandritra ny andro sy ny alina nanomboka teo amin'ny andro nahafatesany manadram-paha voalevina azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...