Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.

0 : 00

Ry kristianina havana, mankalaza ny nakan'ny Teny ho nofo ny Fiangonana isaky ny 25 marsa toa izao, izany hoe sivy volana alohan'ny Noely izany isika. Nanaiky hatera-behivavy ny Zanak'Andriamanitra satria sitrany ny miray fomba aman-toetra amintsika olombelona mba ho akaiky antsika kokoa izy ka ho mora tanterahana ny famonjena. Pejy vaovaon'ny tantaram-pamonjena no misokatra manomboka eto amin'ity filazana tamin'i Maria ity. Teny voalohany henon'i Maria nolazain'ny anjely dia ny hoe : "Mifalia ry Maria", na hoe "Homba anao anie ny fiadanana", tsy fiarahabana tsotra toy ny fandre andavan'andro akory. Vaovao mahafaly rahateo ilay ambara, vaovao mahafalin'ny famonjena sy ny fiadanana. "Tompo-mamonjy" no dikan'ny anarana hoe Jesoa, ary tena izany mihitsy, hamerina amin'ny laoniny ilay fanjakana ravan'ny fahotana, saingy vahoaka vaovao, fanjakana tsy hanam-pahataperana no hajorony, izany hoe ho an'ny taranaka rehetra sady mandrakizay.

Asan'ny Fanahy Masina no nahatorontoronina an'i Jesoa tao an-kibon'i Maria virjiny. Dia banjino sy diniho isan'andro ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainantsika. Fanahy herin'Andriamanitra, naharian'Andriamanitra izao tontolo izao koa indro àry miaraka amin'ity filazana amin'i Maria ity fa fahariana vaovao no miseho eto, fanekem-pihavanana vaovao. Antsoy matetika ny Fanahy Masina honina ao am-pontsika sy hanavao ny fiainantsika ary mba hanova ny fontsika ho mora hanaiky an'Andriamanitra toa an'i Maria mba hahatonga nofo ny Teny eo amin'ny fiainantsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...