Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny fitiavana fotsiny ara-nofo dia endrika iray manalavitra sy manamaloka ny fahazoana ny hevitry ny Fitiavana marina. Misy ny mety alaim-panahy hilaza fa ny lafiny ara-nofo no tena porofo sy fisehoan'ny fitiavana ambony indrindra. Ny fitiavana ilàna tambiny ihany koa manosika ny olona hanimba ny tokony ho fandraisana ny Fitiavana marina. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ho antsika kristiana dia ny Fitiavana araka ny Evanjely ihany no hihainana amin'ny fiainana andavanandro. Voalohany amin'izany dia ny Fitiavana an'Andriamanitra ary ny faharoa dia ny Fitiavana ny namana. Ny vavaka no marika ho fitiavantsika an'Andriamanitra. Ny vavaka iombonana sy ny vavaka samirery no tokony himasoantsika mandrakariva. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny fitiavana araka ny Evanjely ihany no afaka manome lanja ny fiainana andavanandro. Ny Fitiavana araka ny Evanjely dia : ny fitiavana an'Andriamanitra, ny fitiavana ny namana, ny fanaovana asa soa tsy mitaky valiny, ny fitiavana ny fahavalo sy mivavaka ho azy, ary ny mahafoy ny aina tahaka an'i Kristy teo ambony Hazo Fijaliana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Sabotsy 3 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8

Zoma 2 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

Alakamisy 1 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27

Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

Talata 29 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24

Alatsinainy 28 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...