Alakamisy 1 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27

Ry kristianina havana ! Tamin’ny katesizy ho an’ny fianakaviana tamin’ny herinandro dia nisy fampianarana ho antsika milaza hoe ny sakramenta dia “engagement” handraisan’ny olona an-tanana ny fahalalana ny misterin’Andriamanitra. Miditra lalindalina kokoa amin’ny fiainantsika ny maha kristianina antsika isika amin’izany fa tsy mijanona fotsiny amin’ny hoe vita batemy dia tonga zanak’Andriamanitra. Izany indrindra no hamafisin’i Jesoa amin’ny Evanjely nohenointsika teo milaza fa tsy ampy ny sentosentom-po miantso fotsiny hoe “Tompoko, Tompoko” dia ho azo antoka fa hiditra any amin’ny fiainana ianao. Hoy Itompokolahy Mmopera Navone, pretra Zezoita hoe “ny vavaka tolona fa tsy sento” ary misy foto-kevitra indray alahady izay hanentanan’ny Eglizy antsika manao “tolona ambony vatolampy ny fiainantsika kristianina ka izay manao taha-tsy vinitra no vaky loha”. Midika izany fa tsy mamela antsika hipetrapetraka ny Tenin’Andriamanitra mahatonga antsika hino fa mitaky ezaka maro amintsika.

Izay no nahatonga an’i Jesoa hanao fanoharana mahakasika ny lehilahy hendry sy ny lehilahy adala manorina trano. Ny fifotorantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra no hisarihany ny saintsika sy ny fo amam-panahintsika amin’io fanoharana io. Efa tamin’ity herinandro ity i Jesoa no voalaza fa nentanin’ny Fanahy Masina ka nanandratra vavaka milaza fa nafenin’Andriamanitra tamin’ny hendry sy ny be saina ny tsiambaratelon’ny fanjakany fa nambarany tamin’ny madinika sy ny tso-po kosa. Iza marina àry izany no tena olon-kendry fa eto izy amin’ny fanoharana ataony indray dia milaza fa ny lehilahy hendry dia toy ny manorina trano ambony vatolampy raha mampifototra ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra. Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka ny finoana ivelomantsika ny maha kristianina antsika isan’andro dia io Tenin’Andriamanitra io no manamafy azy. Tsy ampy noho izany ny mihaino na mamaky fotsiny ny Tenin’Andriamanitra fa tsy maintsy hiainantsika ary ampiharintsika amin’ny fiainana Izy ka hampanjakantsika ny fitiavana izay efa nafafin’i Kristy mitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao. Eo anatrehan’izany na inona na inona zava-misy na rivotra mitsoka aterak’izao fiainana izao dia tsy hampiontsona ny finoantsika izany satria miorim-paka amin'ny Tenin’Andriamanitra isika ka tsy voarebirebin’ny firehen-kevitra maro samihafa mandiso lalana antsika. Aoka àry ny ezaka rehetra ataontsika mba hody ventiny eo amin’ny fiainantsika ka hampanjary ho nofo ny Tenin’Andriamanitra amintsika tsy ho ravan’izay mety tafio-drivotra afafin’izao fiainana izao.

Jesoa Tompo ô ! Sarotra ny manana ny fahendrena tadiavin’ny Evanjely ary raha tsy Ianao sy ny Teninao mamelona anay isan’andro dia zava-poana ny ezaka sy ny vavaka ataonay miantso ny anaranao, koa ampio izahay hanorina ny fiainanay amin’ny Teninao ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...