Alatsinainy 28 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Ry kristianina havana ! Miompana mandrakariva amin’ny fiaiviana ny votoatin-dresaka amin’izao fanombohan’ny vanim-potoanan’ny Noely izao. Maneho ny endriky ny fiandrasana ny Mesia mandrakariva izany vanim-potoana izany. Manao ahoana ny endriky ny Mesia andrasana fatratra ? I Jesoa no mameno ary mamaly sy manazava izany hetaheta efa niandrasanan’ireo Jody maro tamin’izany. Efa nofaritantsika omaly fa isika koa dia miandry ny hiverenan’i Kristy am-boninahitra amin’ny farandro. Fa ho an’ny ankehitriny dia hetahetan’ny maro ny hahatsapa ny famonjena entin’io Mesia io, manoloana ny olam-piainana maro mianjady amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona. Ny Eglizy izay manohy ny nataon’i Kristy no andrandraina hitondra izany. Tsy mikely soroko tokoa anefa ny Eglizy manoloana izany fa miezaka mandrakariva mitarika antsika amin’ny tena fahasambarana marina sy lavorary, ary indrindra ny fitarihana antsika hitodika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Fitaratra ho antsika àry ity kapiteny nanatona an’i Jesoa, mba hitondrana famonjena ho an’ny ankizy lahiny ity. Rahefa tena mangetaheta famonjena tokoa ny olona iray dia tsy maintsy mitady ny fomba maro samihafa mba hahazoana izany. Eo ny fijerena ny maha olona mandrakariva na manao ahoana na manao ahoana toerana misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina. Eo ny fomba maro tadiavina mba hahafahana manampy ny namana sahirana na hianjadiana olana maro isan-karazany. Fa mialoha izany rehetra izany dia eo dia eo ny finoana fa io no tsy maintsy lohalaharana amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny alalan’io no ahafahan’i Jesoa mamonjy antsika.

Jesoa Tompo ô ! Miantso anay mandrakariva ny Eglizy amin’ny alalan’ny Teninao mba hiezaka hampitombo ny finoanay. Tsy mahefa na inona na inona aminay ianao raha tsy eo izany finoana izany, koa ampio izahay amin’ireo ezaka rehetra ataonay hampitombo ny finoanay. Omeo finoana izahay Ray ô ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...