Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

Ry kristianina havana ! Araka ny voalaza teny am-panombohana dia mankalaza manetriketrika an’i Masindahy André Apôstôly ny Eglizy androany. I Masindahy André araka ny tantara dia rahalahin’i Piera. Samy maty martiry izy ireo fa ny toerana naha martiry azy no tsy nitovy. I Piera moa mpiaro an’i Roma ary i André kosa mpiaro an’i Constantinople. Fiangonana mpirahavavy ireo.

Araka ny fitantaran’i Matio tamin’ny Evanjely teo dia teo am-panaratoana no niantsoan’i Jesoa ireto Apôstôly mirahalahy ireto, ary tao anatin’izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede. Ny fotoana lehibe tsarovantsika toy izao dia mamelombelona sy mampahatsiahy antsika ny niandohan’i Jesoa miantso olona hiasa ao amin’ny Eglizy naoriny. Mazàna dia i Jesoa na Andriamanitra mihitsy no miditra ao amin’ny fiainantsika, toa izay hita eto amin’ireto Apôstôly nantsoin’i Jesoa hanarato olona ireto, ary tsy misy dia tena zavatra manokana akory no hiantsoany antsika hikatroka ao amin’ny tanim-boalobony fa matetika ny fiainantsika andavanandro ihany, ny asantsika mahazatra hivelomantsika ihany, no hiantsoany antsika hiara-miasa aminy hanasoa ny hafa, hitory sy hijoro vavolombelona amin’ny hafa hiara-miasa aminy. Tsy nisalasala ireto nantsoina fa avy hatrany dia nandao ny haratony sy ny fivelomany andavanandro ary nanaraka an’i Jesoa. Ny harato moa dia tandindon’ny Eglizy ary nampanantenain’i Jesoa izy ireo fa hataony ho mpanarato olona. Ry havana, aoka isika tsy ho mafy alain’ny nify fa ho malemy alain’ny molotra eo anatrehan’ny antson’Andriamanitra miantefa amintsika mba hiara-miasa amin’i Jesoa Zanany ao amin’ny Eglizy. Tsy sasatra ny Papa miantso antsika toko telo mahamasa-nahandro ao amin’ny Eglizy dia ireo mpandraharaha masina, ireo nanokan-tena sy relijiozy ary lahika mba hiara-mientana hiroso lalina ary handeha lavitra hizara fahasoavana ary hitondra fiadanana ho an’ny olona rehetra hanohy ireo efa niantsony ary nanirahany ireo Apostoly tany am-piandohana. Izany rahateo no votoatin’ny Sinaody izay efa natomboka tamin’ny taona 2021 ka mbola mitohy hatramin’izao. Antsoina isika hiombona amin’ireo Apôstôly mpikatroka ankehitriny. Antsoina isika hiara-manatanteraka iraka iombonana ary hazoto handray anjara amin’izany satria tsy vitan’olona tokana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Aoka àry isika tsy hisatry fanahy ary ho vonona ho martirin’ny fitiavana mandrakariva toa ireo Apôstôly mba hamelona ny finoana efa niainan’ireo zokintsika tany aloha ary mbola hampitaintsika amin’ireo taranaka any aoriana mba ho famonjena ny olona rehetra.

Jesoa Tompo ô ! Tsy mitsahatra miantso olona Ianao hikatroka ao amin’ny sahanao dia ny Eglizy ankehitriny. Enga anie ny fankalazanay an’ireo Apôstôly vatofototra nanorenanao ny Eglizy toy izao hanome fanantenana ary hafanam-po anay hanohy izay efa nataon’izy ireo ary hanatsaratsara kokoa aza izany mifanaraka amin’ny vanin’andro diavinay ankehitriny. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...