Zoma 2 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

Ry kristianina havana ! Ao anatin’ny avent moa isika izao. Tiana hatrany ny mamerimberina izany. Na isika miandry ny hiverenan’i Kristy am-boninahitra amin’ny farandro araka ny efa resahantsika teto na ireo niandry ny fahatongavan’izany Mesia izany tamin’ny fotoan’androny dia miandry manantena ary miandradra famonjena. Efa an-taonany maro no niandrasan’ny vahoaka Jody an’i Jesoa Zanak’i Davida tamin’izany fotoana izany ary niandrandrany fahasoavana maro avy aminy. Ny zava-miseho amin’ireto jamba roalahy ireto dia mitoetra tanteraka ao anatin’ny haizina no mitady vonjy amin’ilay Tompon’ny fahazavana. I Jesoa tokoa no fahazavana ary mizara izany amintsika na izy Tenany na ny fampianarana ataony na ny fahagagana hanaporofoany ny fampianarany. Ny antsoantson’ireto jamba ireto dia famantarana maneho hetaheta mafy te ho afaka amin’ny fatotra. Zava-misy iainan’ny fiaraha-monina misy antsika ny mahazo azy ireo. Maro no te ho afaka amin’ny fangejana ara-nofo isan-karazany ka mila ny fanafahan’i Kristy ilay Mesia andrasantsika. Fangatahana fahitana amin’ny maha jamba no fanirian’izy ireo kanefa ny hiaka mivoaka ny vavany dia famindram-po. Misy hifandraisany moa ao amin’ny kolontsaina Jody ny fahotana sy ny aretina. Amin’ny ankapobeany ny aretina dia toy ny fahotana ka ny fanasitranana azy dia toy ny famindram-po lehibe amin’Andriamanitra. Izany no antony hitarihana antsika amin’izao avent izao hanatona ny hindrafon’Andriamanitra satria jamban’ny fiainan’izao tontolo izao amin’ny ankapobeany ny fanahintsika nefa mila misokatra amin’Andriamanitra. Eo amintsika mandrakariva i Jesoa fa indraindray tsy hitantsika na tsy rentsika koa aoka isika haneho hiaka toy ireto jamba roalahy ireto hiantso vonjy aminy ary hitady ny fomba rehetra hahazoana izany indrafo izany. Fotoanany izao ka araraoty.

Etsy an-danin’izany anefa dia tsy tafita amintsika ny famonjena tian’Andriamanitra na kasain’i Jesoa amintsika na hoe irintsika raha tsy mino aloha isika. I Jesoa isaky ny hanao fahagagana amin’ny alalan’ny fanasitranana isan-karazany dia manontany ny finoan’ilay marary na izay mangataka ho sitraniny aloha. Tsy afa-misaraka ireo. Tsy misy fahasitranana azon’izay marary raha tsy izy aloha no mino fa ho sitrana. Toy izany koa ireo mitsabo na mikarakara ny marary. Manampy be antsika io finoana io araka ilay fitenenana matetika amintsika hoe tsy misy tsy azo atao amin’izay mino. Manao fihetsika fanasitranana i Jesoa manasitrana ny mason’ireto jamba ireto fa sady ampiany teny hoe : “ Aoka ho tanteraka aminao araka izay inoanao ”. Mamonjy izay rehetra mitady vonjy aminy Jesoa. Tsy mitady zavatra sarotra amintsika Izy fa ny fitiavantsika Azy sy ny finoantsika ihany no takiany ahafahany malalaka mizara fahasoavana amintsika. Velomy ao anatintsika mandrakariva àry izany finoana izany ahafahany manasitrana ny aretim-panahintsika na ny fahajambana mpahazo antsika noho ny fahalementsika olombelona mandia tany mety solafaka ary miloloha lanitra mety lena.

Jesoa Tompo ô ! Ampanalaviro anay izay rehetra mety ho fisalasalana na falainana hino fa Ianao irery no afaka mitondra famonjena ho anay. Fanirinay ny ho eo anilanao mandrakariva ary vonjenao amin’izay maha ory anay koa ampio izahay hitombo finoana mandrakariva. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...