15 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...

• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...

• Tany amin'ny 260 km andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toliara I sy Androka Ampanihy anio alina na rahampitso vao maraina be, amin'ny tanjaka “Cyclone Tropical” izy... • Tsy hisy ny fanalavam-potoana fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana farany fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina Bakalorea, dia ny 25 avrily 2025 amin'ny 6 ora hariva... • Miisa 800 ireo olona nisitraka ny tolotra maimaimpoana kopia sy kara-panondrom-pirenena tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan'i Moramanga...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...