♦ Niakatra 5,32% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy, tao aorian'ny fanavaozana isan-taona izay nikatona androany... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, hoy ny Kônfederasiôn'ny Sempama... ♦ Nanomboka nihodina omaly ny orinasa mpanodina ny ovy ho lasa chips, any Faratsiho...

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 13-20)

Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.

Ry kristianina havana,
misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary;
hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa.
Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany,
ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra,
ka nahavokatra ny tany.
Ry kristianina havana,
raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana,
ka misy anankiray mampibebaka azy,
dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany,
dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 140, 1-2. 3 sy 8

Ny fivavahako anie hisondrotra toy ny emboka manitra anoloanao.

Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko!
Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho!
Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!

Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo!
Arovy ny varavaran’ny molotro!
Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao!
Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.

Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:

“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”

Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 9-12)

Indro efa eo am-baravarana anie ny mpitsara.

Ry kristianina havana,
aza mifampimonomonona, fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra, ry kristianina,
no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.
Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra.
Efa renareo ny niaretan’i Jôba;
ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany.
Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havana,
dia aza mianiana akory,
na amin’ny lanitra na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa;
fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia,
mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.

Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka,
ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”

Ary izao no navaliny azy ireo:

“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”

Dia hoy Izy:

“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy,
ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”

Nony mby tao an-trano,
dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:

“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompo ny tarainany.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lò;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsy efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo
sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono olo-marina ianareo,
fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 14-15ab. 15de-16. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny Lanitra.

Jereo ny hanjò ireo matoky tena,
sy lozan’izay minomino foana;
toa ondry mitoby mba hovonoina.

Hiraotra any am-pasana toy ny maty;
mba mailaka erý izy midina any.
Ny endriny hanjavona mora foana.

Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy,
vonjeny amin’ny fahafatesana aho;
izay manan-karena aza dia ahina,

raha tany misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha,
nohasohasoiny any an-tampon-doha,
izao tafaray amin’ny Razany izy,

tsy hahita mazava mandrakizay.
Izany tokoa he ny manan-kaja,
dia mova tsy biby tsy manan-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

Aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.
Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo,
toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Tsara ny fanasina:
fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony?
Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...