03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.
Ny Kristianina tsy katôlika dia tsy raisina ho toy ny mpankato na mpivoy fampianaran-diso izy ireny fa toy ny rahalahy tafasaraka. Maro amin'izy ireny ny manome toeram-boninahitra ny Soratra Masina ankatoaviny ho fitsipi-pinoana sy fitondran-tena. Maro ireo maneho zoto eo amin'ny fitiavam-bavaka ary mino am-pitiavana an'Andriamanitra Ray Mahefa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Namafisin'ny Fitsaràna ambaratonga ambony androany ny sazy mihantona 30 volana, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly, sy ny filohan'ny SECES teo aloha, noho ilay raharaha fandefasana taratasy teny amin'ny Etamazôron'ny Tafika ny volana oktobra 2023... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety James Ramarosaona... ♦ Namoaka voka-pikarohana hahafahana manampy ireo sekoly sy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny studio M.G...
Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco