Ry Malagasy rehetra mpiray firenena, ianareo mpiavy efa iray firenena amin'ny Malagasy sy iray ra, iray fizakan-jo amin'ny Malagasy. Manao antso-avo amin'ny tsirairay mba hisoroka olana maro lafy izay efa niteraka ankivy lalina teto Madagasikara. Aoka samy ho tony, samia manatontosa ny andraikiny sy ny adidy tandrify azy ny tsirairay, anatin'ny fanajana ny fahamarinana sy fahadiovam-po. Ataovy zava-dehibe ny fifanajàna, fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 05 oktobra 2025 : Alahady faha-27 mandavantaona — D - Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo ; Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. I Jesoa no niaina voalohany ireo fijaliana, fa lalam-pitiavana ireny ; porofo ny nanehoan'ny Ray ny fitiavany tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona. Mandre ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika Andriamanitra fa misy ny fandarahana, ara-potoana, araka ny laharam-pahamehana aminy. Mila fotoana isika mba hamahana ny olana rehetra vokarin'ny ratsy, na ao anatintsika na eo amin'ny tontolo iainana mba tsy lasa mpitan-damba fotsiny isika...
Ny mahatongan'ny "Homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza" dia avy amin'ny tsimok'aretina atao hoe "papillomavirus". Ny fivoaran'io homamiadana io dia eo amin'ny 20 taona aorian'ny nidiran'ilay tsimok'aretina ao amin'ny tranon-jaza. Misy ny vaksiny ho fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza, tsindrona in-ndray, mahantoka mandritra ny fahaveloman'ny vehivavy iray... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco