Tsy azo atao tsinotsinona fa tena zava-dehibe ny Testamenta Taloha ho an'ny Kristianina izay manaradia an'i Kristy. Tsy azo sarahina ny Testamenta Vaovao sy ny Taloha satria ny samy notsilovin'Andriamanitra ny mpanoratra azy ary ny Testamenta Taloha dia mamono ny testamenta Vaovao. Ny testamenta Vaovao dia mamelabelatra ny Testamenta Tranainy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Nanao fanambarana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena androany, ny mpitandrina eo anivon'ny FJKM. Miantso ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny zava-misy. Takiana ihany koa ny famoahana ireo voasambotra noho ny fanehoan-kevitra nataony... • Naparitaky ny mpitandro ny filaminana io takariva io, ireo mpanao fihetsiketsehana teny Anosy sy ny manodidina. Nisy ireo naratra novonjen'ireo mpitsabo mpanao asa an-tsitrapo... • Toherin'ireo antoko mpanohitra ny fanendren'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra vaovao omaly. Fiantsiana sy tsy fahavononana hitady vahaolana miaraka, izao zava-misy izao, hoy ny Vovonana Firaisankina...

♦ Vita sahady ny maraina teo ny famindram-pahefana teo amin'ny praiministra teo aloha sy ny vaovao. Nandao ny Lapan'i Mahazoarivo Andriamatoa Ntsay Christian, rehefa lehiben'ny Governemanta nandritra ny 7 taona sy 3 volana... ♦ Miantso ny antoko politika rehetra hanatevina ny tolona ny Génération Z. Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena indray izy ireo ny maraina teo, taorian'ny fitsipahana ny fanendrena Praiministra, alina... ♦ Mitaky ny hanarenana ny lafiny sôsialiny ireo mpampianatra amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao. Tokony averina amin'ny Ministeran'ny fanabeazana ny teti-bola 200 miliara Ariary, nomena ny JIRAMA hoy izy ireo...

Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...