18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...
♦ Miseho lany ny olana amin'ny olona ho atolotry ny antoko pôlitika sy ny vovonana pôlitika ho kandidà ben'ny tanàna, indrindra ny amin'ny renivohi-paritany... ♦ Mbola mahaliana ny Malagasy tanora ny fandalinana ny hay pôlitika na eo aza ny zava-misy ara-pôlitika misy ankehitriny... ♦ Volana eran-tany momba ny "Alzheimer" ny volana septambra. Maro ireo hetsika karakarain'ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody... ♦ Mahazo vahana ny herisetra sy fanenjehana ny finoana katôlika any Nouvelle-Calédonie. Miisa 6 ireo Eglizy nisy nandoro any an-toerana, tato anatin'ny 2 volana...
Ny "Rasavôlana" dia lahabolana fanaon'ny faritra afovoany atsinanana sy ny atsinanan'ny nosy, izany hoe mampiavaka an'ireo Sihanaka, Bezanozano, Betsimisaraka. Ny voambolana "Rasavôlana" dia avy amin'ny teny roa "Rasa" + "Vôlana", izay midika ho fizarana fitenenana. Resaka hifanaovana, hifamalin-dresaka, fampahafantarana izay natao na izay vao hatao no antony hanaovana ny "Rasavôlana", fanao amin'ny fanolorana zavatra, fitsofan-drano, fandraisana vahiny, fanatanterahana fomba. Ny "Rasavôlana" dia matetika lehilahy no tena manao azy...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco