• Hanasa ny Préfet an'Antananarivo ny RMDM amin'ny fivoriana hataony, manomboka izao. Tsy hangataka alalana kosa anefa satria voalazan'ny lalana mifehy ny antoko politika ny fivoriana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao. Eo anelanelan'ny 800 Ariary ka hatramin'ny 1.200 Ariary ny iray kapoaka, arakaraka ny karazany avy... • Nihatsara ny fahatongavan'ny “Caisse école” eny anivon'ireo sekoly tokony hisitraka izany. Maherin'ny 66 miliara Ariary ny teti-bola natokana ho amin'izany amin'ity taom-pianarana ity, raha ny tatitry ny tetikasa Score...
Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco