♦ Andro farany mialoha ny hikatonan'i Mahajanga ny androany. Nataon'ireo kaoperativam-pitaterana lohalaharana ireo mpandeha tsy maintsy hamonjy fodiana, tonga teny Andohatapenaka... ♦ Niaiky ny UCTU fa tsy voahaja ny elanelana iray metatra any anaty Taxibe. Tsy mahomby mantsy ny fitondrana mpandeha efatra-efatra...

♦ Manomboka miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny valan'aretina Covid-19 ny eto Madagasikara. Efa ahitàna ilay coronavirus nivoatra variant "Sud-Africain" eto amintsika... ♦ Misy ny milaza fa hanongana ny fitondrana ny katôlika, taorian'ny fanambarana nataon'ny K3F tany Fianarantsoa. Namaly izany ny Eveka Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny Francophonie ny tamin'ny Sabotsy 20 marsa teo ary faha-51 taonan'ny OIF... 

Alatsinainy 22 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11

Alahady 21 marsa 2021 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 20-33

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...