♦ Mbola tara ny Malagasy amin'ny fanatanterahana ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy araka ny nambaran'ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo... ♦ Namoaka boky mirakitra torolalana ahafahana manamafy ny ady atao amin'ny afo eto Madagasikara ny ALAMINO... ♦ Natomboka androany ny fizaràna tavoahangina entona fandrehitra ho an'ny mpiasan'ny ministeran'ny tontolo iainana, 5000 isa no hozaraina ao anatin'ny taona...
♦ Tombanana hiakatra hatrany amin'ny 7,5% ny taham-piakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara hatramin'ny faran'ity taona ity, araka ny antontan'isa navoakan'ny Instat... ♦ Hitombo 5% ny teti-bola ho ampiasain'ny kaominina Antananarivo ho an'ny taona 2022, antony ny fanamboarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa... ♦ Voarara any amin'ny distrika Sakaraha ny fitondràna fitaovam-piadiana, vokatry ny fifandonan'ny foko Antandroy sy ny Bara tamin'ny herinandro teo...
♦ Omaly vao voafehy ny afo, manoloana ny firehetana tany amin'ny valan-javaboaharin'Ankarafantsika, araka ny tatitry ny ministera, toerana roa hafa koa, tratran'ny doro tanety any an-toerana... ♦ Mbola mikatso ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Toliara, taorian'ilay savorovoro farany teo... ♦ Manomboka ny fanenjehana ireo taxi-moto, ao an-drenivohitra. Moto maro omaly no noraofin'ny Pôlisim-pirenena ary nahiditra valan-tsazy...
Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco