♦ Nojerena ny hametrahana ny paikady manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin'ny faritra maro eto Madagasikara, indrindra ireo amin'ny lalam-pirenena... ♦ Hametraka vahaolana maharitra, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny mnisteran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakàna ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola izay nihaona tamin'ny iraky ny FMI...
Renin'ny zanak'Andriamanitra i Masina Maria. Mifanerasera tsy tapaka amin'ny zanany. Tsy fomban'ny Jody ny mampianatra vehivavy fa i Masina Maria, niaraka tamin'ny apôstôly, nianatra zavatra maro tamin'ny Jesoa. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nodinihina teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny vahaolana momba ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro eto amin'ny Nosy. Noresahana ihany koa ny momba ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato... ♦ Hidina ifotony eny an-tsena ny kaomiseran'ny varotra sy ny mpanara-maso ny varotra, hanara-maso ny fampiharana ny lalana mifehy ny varotra, ary ny loharanon'ny entana misondro-bidy. Natomboka androany tamin'ny tsena lehibe maro teto an-drenivohitra izany fidinana ifotony izany...
♦ Asa anterivozona 10 taona, miampy onitra 500 000 000 Ariary no sazy azon'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha, araka ny didim-pitsaràna navoakan'ny PAC momba ny raharaha hanenjehana azy, Praiministra iray teo aloha koa voaheloka... ♦ Ratsy toerana hiantso ny hery iraisam-pirenena hanampy an'i Madagasikara amin'ny famerenana ireo "Iles éparses" ny filoha ankehitriny, hoy ny antoko SFDM... ♦ Hamelatra sora-baventy isaky ny toeram-piasàny ireo sendikà eo anivon'ny Polisim-pirenena, hanohizana ny hetsika tsy fankasitrahana ilay famindran-toerana ambaran'izy ireo fa tsy ara-dalàna...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco