Sabotsy 27 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36

♦ Naneho ny alahelony ny K2HB, manoloana ny vaovao niparitaka androany fa nosamborina tany Bénin ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra... ♦ Miantso ireo Loholona hihaino ny hevitry ny olom-pirenena ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena CCOC amin'ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana 2022... ♦ Nahitana "variant" vaovaon'ny Covid-19 indray atsy Afrika Atsimo. Milaza ny hampiato ny sidina rehetra avy any amin'ity firenena ity ny Vaomiera Eoropeana...

Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.

♦ Hikatsahana sori-dalana pastôraly iombonana, sahaza ny vanim-potoana ankehitriny nefa manaraka ny sitrapon'Andriamanitra ny Sinaodin'ny Eveka 2021-2023... ♦ 18 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanabeazana ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Tanterahana any Verona Italia ny 25 hatramin'ny 28 novambra 2021 ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...