Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy sôsialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana eo amin'i Madagasikara sy Colombie. Mitsidika eto Madagasikara ankehitriny ny filoha lefitra Colombien... ♦ Maro ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana natao teto Madagasikara, saingy tsy hita mivantana ny tombontsoa ara-toekarena ho antsika Malagasy tamin'izany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Azon'ny Barea atao tsara ny mandresy ny Marôkana amin'ny lalao famaranan'ny CHAN anio hariva, hoy ireo mpamakafaka baolina Kitra... ♦ Mankalaza ny tsingerin-taona faharoa izay ambarany ho fetim-pirenena ho fanafahana i Gabon...

♦ Hitarika ny delegasiôna Malagasy hanohana ny Barea amin'ny lalao famaranana amin'i Maroc anio any Kenya ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Mahatratra 121 ireo manana ny fahazoan-dalana hanjono aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara ankehitriny hoy ny Ministry ny Jono sy ny Toe-karena Manga... ♦ 80% amin'ny Malagasy no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana. Nivoitra izany nandritra ny fanamarihana ny andro Afrikanina ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana teny Anosy omaly... ♦ .Manomana fanafihana mahery vaika any GAZA indray ny tafika Israeliana, atao tanànan'ny Ady mampididoza i Gaza, raha ny fampitandremana nataon'ny tafika Israeliana...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...