Mila toriana an-kafaliana ny Vaovao Mahafaly ary hafaliana vokatry ny fiombonan'aina amin'i Kristy. Mora tsikaritr'ireo itoriana ny Evanjely ary mifindra amin'izy ireo ny hafaliana. Manampy ireo mpitory tsy hihemotra amin'ny sedra isan-karazany ny hafaliana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

♦ Niditra an-tanety tao amin'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo, androany tamin'ny 3 ora tolakandro, ilay rivodoza Dumako, rehefa avy nipaka tao Sainte Marie tamin'ny 12 antoandro... ♦ Nandray ny asany amin'ny maha Minisitra mpiosolo toerana azy eo anivon'ny Fitsarana, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana soasialy, Ranampy Gisèle... ♦ Niantso ny CFM handray andraikitra amin'ny disadisa anatiny misy eo amin'ny fitondrana ny CRM. Feno ny fepetra hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...

♦ Vinavinaina hiditra an-tanety afaka adiny iray any Sainte Marie ilay rivodoza Dumako. Nampitandrina ny Météo fa hitohy ny ora-mikija any amin'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana momba ilay raharaha nampametram-pialàna ny ministry ny fitsaràna teo aloha ny HVM... ♦ Mitokona ny vadin-tany manerana an'i Madagasikara nanomboka omaly. Tsy mamonjy asa eny anivon'ny fitsarana intsony izy ireo, ao anatin'ny fotoana tsy voafetra...

Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...