♦ Mampametra-panontaniana ny lanjan'ny didim-pitsaràna miainga amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena hoy ny ONG Tolotsoa, raha naneho hevitra amin'ny tsy fahavitan'ny fifidianana any amin'ireo kaominina nodidin'ny Fitsaràna... ♦ 200 isan'andro eo ireo mpianatra mandalo, maka hevitra sy mividy ny antontantaratasy ilaina amin'ny fianarana ho an'ny Fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona (FLSH). Miankina amin'ny fitsapam-pahaizana ny handraisana ireo ao amin'ny taona voalohany... ♦ Sendika TRIADE : misy ireo antony nananganana ny sendika, hivondronan'ireo mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka...
Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-banona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nampanantena indray ny mpitondra fa afaka roa herinandro ny fitanterana ireo fitaovana vaventy avy ao Toamasina ho famahana ny olan'ny JIRAMA... ♦ Efa tafapetraka ny taratasy fangatahana toerana kasain'ny saindika TRIADE hanaovana ny fivoriambe hijerena miaraka ny olan'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Nosafidian'i Père Pedro Opeka mpitantana ny toby Akamasoa hankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy ny any Vangaindrano... ♦ Voafonja maherin'ny 13.500 no tafatsoaka vokatry ny savorovoro any Népal. Herisetra mbola tsy nisy tao anatin'ny 20 taona no nitranga tany an-toerana...
Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco