Ny Teny "kiswahili" dia efa nisy tamin'ny taonjato faha-10, nivelatra hatrany izy na teo aza ny tosika nentin'ny teny "Malais". Ny teny kiswahili dia fitambaran'ny teny Arabo sy ny teny Bantou. Ny Arabo no maro nandraharaha ara-barotra sy nivezivezy tamin'ny ilany Avaratra sy atsinanin'i Afrika. Maro ireo teny Malagasy no manandrify ny teny kiswahili (kamba ≈ Makamba, Nanasi ≈ Mananasy, Arahaba ≈ Miarahaba) Velona sy mivoatra ny teny Kiswahili, isan'ireny ny fampiasantsika Malagasy ny voambolana "FONJA" izay manana hevitra hoe fanidina amin'ny toerana iray, "FONGA" amin'ny teny Kiswahili...
♦ Nilaza ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna omaly fa tsy azo havoaka ho fantatry ny rehetra ny anaran'ilay singa hita tamin'ny fitiliana tany Frantsa, momba ny raharaha Ambohimalaza... ♦ Tsy mbola nisy laza adina bakalôrea 2025 nivoaka mialoha ny fotoana hoy ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaraotonga Ambony, omaly. Miantso ireo mpiadina, ray aman-dreny mba tsy hanana ahiahy izy ireo... ♦ Olona miisa telo no voasambotra ary mbola tsy tafaverina amin'ny fianakaviany, vokatry ny raharaha Base Toliara. Nafampàna ny toe-draharaha nanomboka ny faran'ny herinandro teo, hoy i Elia Rabevahiny, zanak'i Toliara-II...
• Mbola tsy nisy lazadina bakalorea 2025 nivoaka hatramin'izao, hoy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, androany... • Miisa telo ireo olona mbola tsy tafaverina any amin'ny ankohonany vokatry ny fampisamborana ataon'ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tetikasa Base Toliara... • Dingana vaovao eo amin'ny fiaraha-miasan'i Frantsa sy i Mdagasikara ny taona 2025, hoy ny Masoivoho Frantsay, Arnaud Guillois androany, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco