Tsy azo ihodovirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fampitam-baovao haingana hoan’ny vahoaka, manoloana ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny teknolojia misy amin’izao fotoana izao. Misy ny vokatsoa azo avy amin’izy io. Fampitam-baovao tena mahomby hoan’ny fiarahamonina tokoa, mahatonga ny fifanampiana rehefa misy ohatra ny fahaverezan’ny ankizy iray, ny fanampiana amin’ny resaka fahasalamana sy ny fahasahiranana, ny fizarana ny zavatra mahasoa sy ny sisa. Mbola mila ezaka goavana nefa ny fifehezana ny fampiasana ny tambazotra sosialy eto amintsika.

Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Andriamanitra Trinite Masina, Andriamanitra Tokana Olona Telo no loharano ipoiran'ny fahamasinana ; noho izany dia hitombo voninahitra hatrany ilay Trinite Masina tokona tsy azo sarahana ipoiran'ny fahamasinana rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy. Antso sy andraikitry ny Kristianina vita Batemy rehetra ny ho mpitory ny Vaovao Mahafaly manerana an'izao tontolo izao... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Alahady faha-17 mandavantaona — D — Alahady 27 jolay 2025 : Izay mivavaka tsara, mivavaka amim-pitokiana sy faharetana ; Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Andriamanitra ao amin’ny toerany masina ; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Tsy natao hampahalalana an'Andriamanitra izay tokony hataony ny vavaka fa mba hahaizan'ny olombelona mijoro amin'ny maha-olombelona azy ; ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra, resaka vokatry ny fo, fitiavana. Ny fivavahana madio dia ny mpanampy ny kamboty sy ny mpitondra tena, ary ny miaro tena tsy ho latsaka amin'ny fahotana...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...