Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...
Ny konsily Masina dia maniry hampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino ; hanavao amin'ny filàn'ny vanim-potoana ankehitriny ny fomba sy rafitra sasany ao amin'ny Eglizy ; hampiraisana ny Kristiana rehetra ; ary ny hanamafisana ny antso ho amin'ny fiainam-pamonjena ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Minisitera maromaro no nahavita ny famindram-pahefana androany... • Misy tombana ataon'ny orinasa Colas sy Poma, mahakasika ny fitaterana teleferika. Miankina amin'ny mpitondra ankehitriny ny fanarenana sy ny fanohizana ny fampandehanana ity fitaterana an-tariby ity, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ny Toeram-ponenana teo aloha... • Miantso ny hisian'ny fakan-kevitra amin'ireo rehetra nitolona ho an'ny fanavaozana, ny Vovonana Amen, mialoha ny handaniana ny tetibolam-panjakana...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco