Ny atao hoe "Infection urinaire" dia fanafianan'ny otrik'aretina ny taova mpamorina ny amany sy ny fantsona fivoahan'ny amany. Mizara roa ny "infection urinaire" : izay mankarary faritra ambony amin'ny taova mpamorina ny amany ka ny voa sy ny fantsona "uretère" manakaiky azy, ary ny faharoa ny manafika ny faritra ambanin'ny taova dia ny manafika ny tatavy sy ny fantsona "urètre" mamoaka ny amany ady ivelany... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Maro ny tsy fahatomombanana sy ny osoka, ary ny hala-bato hita tamin'ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ka ilaina ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana hoy ny antoko ALFA... ♦ Misy ny lamina manokana ho an'ny fahadiovan'ny tanàna sy ny filaminana ao Antananarivo-renivohitra, ary haseho ireo vahiny avy amin'ny SADC fa tena mahay mandray vahiny ny vahoaka Malagasy... ♦ Lalam-pirenena efatra lehibe no andalam-panavaozana amin'izao eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hifarana rahampitso alahady ny andiany faha-20 amin'ny "Assemblée plénière" ho an'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara, ao Kigali...

♦ Nanolo-kevitra ho an'ny CENI hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ny Kômity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina anatin'ny Lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto Madagasikara. Ny vidin-tsolika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna omaly voalohan'ny volana aogositra ny OJM holafitry ny Mpanao Gazety, manoloana ny valin-teny nataona filohan'Andraim-panjakàna iray tamin'ny mpanao gazety, izay miendrika fihetsika tsy mendrika...

Fanomanana ny fahatongavan'ny  Mpamonjy no fototra nahatongavan'i Masina Maria ; izy ilay virijiny hanana anaka hiteraka zazalahy omena anarana hoe Emanoela. I Masina Maria dia ilay zanaka vavin'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana, ary nahatanterahan'ny fandaharana vaovao fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona, ho famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...