Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hoy Masindahy Grégoire avy any Nyssa : ilaina ny faharetana amin'ny vavaka, izay fifampiresahana mba hitazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Ny faharetana dia asan'ny finoana. Ny vavaka maharitra dia fanao ara-panahy izay mitaky fahatokiana, faharetana, fanoloran-tena tsy tapaka amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco