Ny andro 29 septambra no fankalazana ireo Arkanjely Masina, ny tena fantatry ny maro amin'ireo dia Masina Misely, Masina Gabriely, Masina Rafaely... Misy antokony sivy ny Anjely : Anjely tsotra, ny Arkanjely, fa ambonin'ireo dia eo ny Fiandrianana, ny Fahefana, ny Hatsaran-toetra, ny Fanapahana, ny Fiketrahana, ny Kerôbima ary ny Serafima. Misy ny Arkanjely fito izay mijoro manoloana an'Andriamanitra ka Masina Misely no loharahana amin'izany...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

I Eva renin'ny velona rehetra dia tandindon'i Masina Maria renin'ny kristiana rehetra. Tsy natao hiara-dalana ny vehivavy sy ny fanahy ratsy, efa fantatra hatrany am-piandohana fa ny vehivavy sy ny taranany no handresy. I Masina Maria sy ny taranany no fampanantenana nambaran'Andriamanitra, an'ireo ray aman-drenintsika lavo tamin'ny fahoatana, fa hanorotoro ny lohan'ny bibilava... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Alahady faha-19 mandavantaona — D — manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny farandro, ny hanampy antsika hiomana sy hiatrika io fotoan-dehibe io, amin-kafaliana sy fiadanam-po no antony nahatongavan'i Jesoa. Ny fanalahidin'izany hafaliana hihaonana amin'i Jesoa, amin'ny fiverenany fanindroany ety an-tany izany dia ny fahavonona mandrakariva handray azy sy haharetantsika hiasa ho azy satria sambatra ny mpanompo tratry ny tompony miambina fa ny tompo hampandroso azy, amin'ny alalan'ny fahatokisana sy fitiavana azy...

Ireo olona izay mamany am-pandriana tsy fanahiniana, mandritry ny torimaso dia mety ho olana avy amin'ny taova "tatavy", ilaina anefa ny manatona mpitsabo mamantatra ny anton'ireny raha toa ka tsy afaka mandritry ny fahazazana. Ireo ankizy mamany am-pandriana dia matetika iharan'ny herisetra amin'ny lafiny maro : ara-tsaina, ara-batana ; tokony hialana ny toetra mibedy ny ankizy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...