• Mbola ahitana sakana ny fanenjehana ireo mpiasam-panjakana ambony izay ahiahiana ho tafiditra amin'ny resaka kolikoly... • Hiakatra kianja anio amin'ny 5 ora hariva ny Ankoay ka hifandona amin'i Côte d'Ivoire. Lalao tafiditra amin'ny fifanintsanana amin'ny Afrobasket 2025... • Efa manomboka miarin-doha ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara. 9 tapitrisa Euros no nateraky ny fikatonan'ny sisintany tamin'ny fotoanan'ny Covid...

Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Tsy nisy ny fampahafantarana mialoha ny antony sy ny fotoana hanatanterahana ny fanagiazana ny foiben-toeran'ny antoko HVM, hoy Andriamatoa Rasambany Alain Désiré... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana omaly teny Ankorondrano, rehefa naharitra efarana, ny fiofanana IMS 300...

21 febroary — I Masindahy Pierre Damien dia teraka tao Ravenne tamin'ny taona 1007, izy no farany indrindra amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny. Fianakaviana sahirana sy mahantra no nipoirany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...