Talata 24 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16 — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ; amereno ny hafaliana avy amin'ny vonjinao.

"Izaho sy ianao, isika rehetra, miombon'andraikitra hisitrahan'ny vehivavy ny zony". Mila mamantatra ny zon'ny vehivavy hita ao amin'ny : "CONVENTION UNIVERSELLE  adoptée par l'Assemblée Générale des Nations Unies", tamin'ny 18 decembre 1979 isika rehetra : na lahy na vavy, mba hanampiana ny vehivavy hitovy zo amin'ny lehilahy amin'ny fanajana ny hasina maha olona. Tsy raisina intsony ny miralenta fa fitovian-jo mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy no tanjona.

Alatsinainy 23 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

Alahady 22 marsa 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 9, 1-41 — Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan'ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...