Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)

Alakamisy 02 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavan-taona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8 — Fanilon'ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.

♦ Nisy olona roa indray namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Firenena voalohany aty Afrika, nanolotra fomba fitsaboana ny aretina avy amin'ny Covid-19, ka hanao ny essai clinique i Madagasikara... ♦ Misy toerana dimy karazana ao amin'ny CMC-19 na ilay ivon-toerana fitsaboana ny Covid-19 eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka...

♦ Isan'ny seha-pihariana mampiditra vola vahiny betsaka ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana lohamenaka. Nifampidinika tamin'ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny ekipan'ny Vondrona GEHEM... Nanomboka ny alatsinaina lasa teo ka hatramin'ny rahampitso alakamisy dia manam-boninahitra miisa 84 no miatrika adina am-bava eny anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena eny Ampahibe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...