♦ Voatendry ho Administrateur diocésain ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, i P. Andrianandrainy Jeannot Martial... ♦ Fankalazana telo sosona no nanamarika ny alarobia 21 septambra 2022, ho an'ny Seminera Zandriny Ambohipo. Fankalazana ny faha-35 taona naha pretra an'i P. Alain Thierry Raharison, ny faha-15 taona naha pretra an'i P. Anselme Raveloarisoa ary fandraisana ny Recteur vaovao, P. Hervé Solofoarimanana... ♦ Mbola nafantoky ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-38 tany Kazakhstan, ny katesizy izay nataony tamin'ny Audience générale, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera...
♦ Diakra 29 no nohamasinina tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nitohy tamin'ny fivahinianana masina izay fanao isan-taona ny fandaharam-potoana... ♦ Ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina dia nankalazaina omaly ny faha-19 taona nijoroan'ny Aumônerie Catholique Sainte Croix Analakininina. Tamin'izany koa no nanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Fiangonana izay homarihana amin'ny taona 2023... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nitondran'ny Papa François fampianarana mahakasika ny fiainana mandrakizay...
♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...
♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco