♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...

♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...

♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

♦ Pretra 15 sy diakra 16 no nohamasinina nandritra ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny 27 aogositra 2022... ♦ Hanao fanomanam-panahy ao Ifanadiana, ny tanoran'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 30 aogositra, hamonjy ny JMJ Mada X... ♦ Tao Ambilobe no nakalazana ny Sorona Masina fanirahana ny tanoran'Antsiranana ho any Antsirabe... ♦ Aoka mba no renivohitry ny famelan-keloka i Aquila, hoy ny Papa François...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...