♦ Ny fiarahan-dian'ny Eglizy sy ao amin'ny Eglizy no nivoitra nandritra ny "Symposium" ny 17 sy 18 febroary tao amin'ny théologat Faliarivo... ♦ Napetraka araka ny fomban'ny Eglizy ny 19 febroary 2023 ny filohan'ny Antilin'i Madagasikara tao amin'ny Diosezin'i Mahajanga... ♦ Fanamby maharitra amin'izao vaninandro iainantsika izao ny teknôlojia vaovao, hoy ny Papa François, tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Akademia pontifikaly momba ny aina...

♦ Nanao fanentanana ny hijerena manokana ny fiainam-bahoaka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany, i Mompera Ramarosandratana Ignace, avy ao amin'ny fikambanana Salezianina Don Bosco, androany zoma 17 febroary 2023... ♦ Ny dian'ny karemy sy ny Sinaody dia mikendry fivoan-tarehy, io no hafatry ny Papa François, amin'izao karemy hiatomboka ny 22 febroary 2023 izao...

♦ Nanentana ny kristianina rehetra mba hitandro ny fihavanana sy ny fiandraisana eo amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomban'ny Fiangonana. ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Anisan'ny nanamarika ny andro natokana hivavahana ho an'ny marary, izay marihana isaky ny 11 febroary, ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Ny fanazavana ny tenin'i Jesoa hoe : “Tsy tonga handrava ny lalana, aho, fa hanatanteraka”, no fampianarana nentin'ny Papa François nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny diôsezin'i Mahajanga, ny alarobia maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Nanitatra ny misôna any amin'ny diôsezin'i Fanoarivo Atsinanana, ny fikambanana Misiôneran'ny Fianakaviana Masina, eto Madagasikara... ♦ Nanentana ireo mpitsabo misehatra anatin'ny pastôralin'ny fahasalamana eo anivon'ny diôsezin'i Rôma, ny Papa François, mba hahaizan'izy ireo mihaino ny fijaliana mangina an'ireo marary tsy misy mpikarakara, anaty fahasahiranana ara-bola sy ara-môraly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...