Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.

Ny taona 1989 izy no niditra teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanohy ny fiofanana ho pretra teny amin’ny Seminera Aivo Victoire Rasomanarivo, Amboara Ambohidratrimo ny taona 1992. Ny taona 1994 ka hatramin’ny 1997 izy no nanomboka niofana tao amin’ny Seminera Zokiny fandalinana ny filôzôfia, Masindahy Paoly Apôstôly, Manantenasoa Antsirabe, ary nandalina ny teôlôjia teny amin’ny Seminera Zokiny, Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely ny taona 1998-2002.

Niroso tamin’ny laharana maha-diakra izy ny 04 aogositra 2001, ary voahosotra ho mpisoron’ny avo indrindra ny 03 aogositra 2002.

Nanohy ny fandalinana ny filôzofia teny amin’ny Université Catholique de Madagascar izy taorian’ny fanamasinana azy ho pretra ary nahazo ny mari-pahaizana « Maîtrise en philosophie » momba ny ‘philosophie de la religion’, ny taona 2006. Ny taona 2011, nanohy ny fandalinana teôlôjia tany amin’ny Université de Fribourg tany Suisse izy ka nahazo ny mari-pahaizana « Doctorat en théologie » momba ny ‘Sciences des religions » ny taona 2017.

Maro samihafa ny asa pastôraly nosahaniny nandritra izay 21 taona naha-pretra azy izay :
Voatendry ho vikera tao amin’ny distrika Ihazolava izy ny taona 2002, ary nafindra ho vikera tao Andohatapenaka ny taona 2004 ka hatramin’ny taona 2006. Taorian’izay dia niandraikitra ny asa fanabeazana sy fampiofanana ho pretra ka notendrena ho Rektoran'ny seminera aivo Amboara Ambohidratrimo sady nampianatra ny taranja filôzofia tao amin’io toeram-piofanana ho pretra io. Fanampin’izany ny fampianarana momba ny fotom-pampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy sosialy, ny Litorjia eokaristika teny amin’ny Toeram-piofanana momba ny teôlôjia sy pastôraly ary Baiboly ho an’ny lahika eny Ambatoroka.

Ny taona 2009, voatendry ho Curé tao amin’ny Eglizy Masindahy Étienne Ambanidia izy, ary nampianatra ny taranja filozofia teny amin’ny Seminera zandriny Ambohipo. Ny taona 2018 no voatendry ho Rektora tao amin’ny Seminera zokiny, fandalinana filôzôfia, Masindahy Paoly, Manantenasoa Antsirabe, hatramin’izao nanendrena azy ho eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava izao.

Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Radio Don Bosco dia maneho ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ary mirary soa ho azy amin’ny adidy mavesatra ankinin’ny Andriamanitra sy ny Eglizy aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...