♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...

♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...

♦ Feno folo taona katroka androany ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François. Nandefa hafatra firarian-tsoa sy fiarahabana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalaza ny fetin'i Marie Eugénie, mpanorina ny fikambanana Religieuses de l'Assomption, ny tao amin'ny Diôsezin'i Manajary, ny alahady 12 marsa 2023... ♦ “Omeo raho aho hosotroiko”. Io fangatahana nataon'i Jesoa tamin'ilay Samaritana io, no mampiseho fa mangetaheta ny fitiavan'ny olombelona i Jesoa, nefa ihany koa manasa antsika mba hikolokolo ny hetahetan'ny hafa...

♦ Nifarana omaly alahady ny Sinaody kaontinantaly, izay notanterahana tany Addis-Abeba, Ethiopie. Fotoana niarahan-dia marina tokoa, nandinihana ny fiainan'ny Eglizy... ♦ Notsofin-drano sy natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Birao Mpanatanteraka eo anivon'ny VDKT, ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Miaina ny finoana amin'ny fiainana andavanandro, io no fanentanana natao ho an'ny tanora ao amin'ny Secteur Androna, nandritra ny recollection amin'izao Karemy izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...