Amin'izao fanakalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy izao, dia mitondra hafatra sy firarian-tsoa ho antsika, i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.

♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany i Sr Marie Jeannine Rasoarimalala sy Sr Marie Rosalie Razafindrasoa, ao amin'ny fikambanan'ny Masera Orsolinina zanakavavin'i Masina Maria tsy azon-keloka avy any Verone... ♦ Ilaina amin'ny fandanjalanja ny fiainam-panahy ny fampitahana azy amin'ny Soratra Masina sy ny foto-pampianaran'ny Eglizy, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 21 desambra 2022... ♦ Nirary soa ireo mpandraharaha ao amin'ny Curie Romaine ny Papa François, mba ho mailo manoloana ny demony...

♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...

♦ Ny talata 10 janoary 2023 no handraisan’ny diosezin'Ambanja an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao Andrevorevo - Anahidrano... ♦ Mihemotra ny fanakalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny Ambohipo sy ny Fivorian’ny FFVA Disoezin’Antananarivo... ♦ Namaly ny antson’ny Papa François mba hanakalazana ny Noely hahatsiarovana ny vahoaka Okreniana ny Aomôneria apôstôlika iandraiketan’ny Kardinaly Konrad Krajewski...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...