♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...