---/... Madiva hifarana amin'ity herinandro vao manomboka diavintsika ity sahady...ny ivon'ilay iray volana natokana hanehoana ivelany ilay fetim-pirenena sy hoe fahaleovantena. Toa vetivety izany, toy ny famintinana ny fizotry ny tantara niainga tany amin'ny  fahagola, fahafoko, fahampanjaka, fanjanahantany hatramin'ny fahaleovantena. Am-polo taona maro tokoa no efa nivoizana sy namantsihana tao an-tsain'ny Malagasy izay hoe fahaleovantena izay.  66 taona amin'ity taona 2026 ity tokoa hoe no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara rehefa avy teo ambany vahoan'ny vazaha mpanjanaka...

---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.

---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...

---/…  Nanamarika ny 03 mey, andro isaisam-pirenena ho an’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika omaly. Niavaka izany tamin'ity taona ity ho antsika teto Madagasikara satria andron'ny fanavaozana tokoa angamba. Herinandro mialoha tokoa manko no efa nisy ireo hetsika isan-karazany,  ary mbola nitohy omaly  ivon’ny fankalazana, tamin'ny alalan’ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo nahavita be teo amin'ity sehatra ity. Velom-pisaorana ny amin’izany ny Arofanina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...