---/... Dila tokoa iny ny andro iray izay niaraha-niombona sy nanehoana ny hoe fisaonam-pirenena. Tsy afa-nidify tamin'izany koa fa niombom-po tamin'ireo Malagasy ny AROFANINA. Marary mantsy izany hoe zanaka, havana, mpiray tanindrazana nivoaka ny trano dia tsy hita... saingy afaka andro vitsy...efa vatana mangatsiaka. Dia hanao ahoana  ny ho tohiny, hoy ny Arofanina, nandingan-davitra, satria efa miverina sy manohy ny andavanandrom-piainany indray ny rehetra? Tena ilaina aloha ny fahamailoana miainga amin'ny tsirairay satria ady iraisan'ny vahoaka tsy an-kanavaka ity raharaha mitranga ity...

---/... Hiatrika ny fanadinam-panjakana farany, dia ny bakalorea ireo tanora maherin’ny 2 hetsy manomboka amin’ny heriny anio. Efa nahavita ny azy ny zandry zanaka nanala ny fanadinana CEPE, sy ny BEPC ka tapitrany ny herinandro lasa teo. Amin’ny an-kapobeny nizotra am-pilaminana ireo fanadinam-panjakana roa ireo, na teo aza, an-daniny, ny horohoro sy tebiteby niainan’ireo tanora sy ny Ray aman-dReny, manoloana ny halatra sy vono olona nitranga tao Antananarivo sy manodidina tamin’iny herinandro iny...

---/...Nirongatra be tato ho ato ny fahaverezana zaza, ankizy, adolantsento, eny hatramin'ny olon-dehibe aza. Tsy lazaina intsony ny fakana an-keriny mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Raha ny antontan'isa nivoaka dia efa 33 ny isan'ireo maty nanomboka ny taona 2022. Raha resaka fanolanana no nitranga teo aloha, dia nitana ny sain'ny mpanara-baovao indray ireo trangana fahaverezana ankizy ny herinandro teo iny. Nahatratra am-polony teo ireo ankizy tsy ampy taona tsy hita nanaovana filazana tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook ny herinandro teo iny fotsiny, raha ny fanisana tsotsotra nataon'ny Arofanina...

---/... Anatin’ny fankalazana ny faha 30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’izao fotoana izao. Onjam-peo manaparitaka ireo karazam-pandaharana maro samihafa nanomboka ny 27 jona 1996. Fandaharana miompana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanabeazana amin’ny lafiny maha olona manontolo. Radio Katolika hoan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny Radio Don Bosco. Najoron’ny fikambanana Salezianina Don Bosco anabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...