Teraka ihany ambatobevohoka rehefa nihazoazo nandritra ny volana maromaro, ka nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpisehatra politika teto amin’ny firenena. Dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena amin’izay izany isika e. Iray volana katroka mialoha ny faha herintaona nitrangan’ny hetsi-bahoaka ka nampirodana ny fitondrana Rajoelina, dia nampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarainy teny Andohatapenaka ny talata 25 Aogositra teo, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
Anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana, na ny CENI, nanomboka ny 28 jolay teo. Haharitra hatramin’ny volana novambra 2026 izany, na dia isaky ny 10 taona aza no tokony hanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna.
Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.
---/... 10 aogositra 1991- 10 aogositra 2026. 35 taona lasa izay ilay hetsi-bahoaka, tamin'ny alalan'ny diabe nananika ny Lapan’i Iavoloha. 35 taona lasa izay ilay rà nandriaka nitakiana ny tsaratsara kokoa. Olona an'aliny maro tamin'izany no nihetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, nitaky ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka sy ny handrodanana ny « mandan’i Jerikô », araka ny fiteny tamin’izany. Maro no maty, tsy tambo isaina ireo naratra, rehefa voafandriky ny vanja nilevina sy ny tifitra avy eny ambony angidimby tamin'io andro andro Sabotsy io...
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco