Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.
Dia efa samy miandry ilay kiririoka hanamarika ny fidirana an-tsekoly afaka herinandro vitsy tokoa ireo mpianatra: na ho an’ireo vao handia sekoly izany na ho an’ireo efa nianatra. Ny daty fidirana tokoa moa no faritana isan-taona, fa ny fiomanana sy ny fahasahiranana mifandraika amin’ny fampianaran-janaka kosa dia efa olana ho an’ireo ray aman-dreny mandavan-taona. Firifiry ireo ray aman-dreny, tsy mandry andro tsy mandry alina, mifohifohy volo, tsy mahalala sasatra, mitady teti-bola kely hanefana ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianaran’ny zanany? Manginy fotsiny ny fividianana ireo kojakoja ilain’ny kilonga mba hitovizana amin’ny zana-bahoaka. Sarotra ny hanonona sora-bola, satria ny vola hono samy manana fa ny isany no tsy mitovy.
Mbola tsy foana anefa, ary tsy vitsy ireo ray aman-dreny tazana, tonga mangingina ary miafara amin’ny fifampiraharahana amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly mihitsy, ankoatra izay mety ho fitrosana natao, tsy eo imason’ny ankizy. Ny vola aloa, iaraha-mahita fa tsy mitsaha-miabo, satria lanja miakatra ny fiainana! Tsy hodian-tsy hita rahateo fa ny karaman’ny mpampianatra tsy azo atao ambanin-javatra, fa miankina amin’ny saram-pianarana, raha ho an’ny sekoly tsy miankina. Tsy afa-bela koa anefa ny eny amin’ny sekolim-panjakana, fa toa mitombo, saika ho isan-taona, ireo filana samihafa. Vao mifarana ny taom-pianarana dia efa indro ny lisitra lavabe asisika amin’ny karine, mampilaza ireo filana samihafa entina hampiodinana ny sekoly.
Tsy ho ampy ny fotoana raha hitanisa ireo olana amin’ny fianarana… ary mety hisy hilaza moramora koa izao any hoe: “Tsy vao izao anie izany e!”
Izay indrindra anefa no tsara ametrahana ireo arofanina mba tsy hiverenan’izany na farafahakeliny hampihena ireo olana miverimberina tsy nahitam-bahaolana hatramin’izay. Ambara ombieny ombieny foana fa harena… lova… sarobidy… ny fianarana. Efa voarakitra ho lalana koa fa hoe: “Zo ny mianatra”, saingy tsy ny rehetra no misitraka izany. Zava-dehibe ny ezaka amin’ny hamerenana an-tsekoly ireo izay mitsoaka an-daharana noho ny olana samihafa. Fa hoy ny Arofanina hoe, sao lahy fotoana tokony hanomezana tohana ireo efa misikim-ponitra mba manao izay ho afany koa izao? Misy ihany mantsy ireo karazana teti-bola maneno sy ren’ny Arofanina, saingy ny sehatry ny fampianarana toa mbola atao an-jorom-bala. Tsy arofanina mba azo atao ve ny mametraka fepetra hanalefahana ny fampidirana an-tsekoly ireo mpianatra, raha toa ka mbola tsy ho tratra sy hihatra ihany ilay hoe fampidirana mpianatra maimaimpoana eny amin’ny sekolim-panjakana? Marobe koa ireo sekoly tsy miankina tena miezaka manampy amin’ny adidy amin’ny fampianarana, ka sao dia tokony mba hamafisina ny fiaraha-miasa amin’izy ireny?
Tena fotoana hanamafisana ny Arofanina izao mba tsy hijanona ho teny mandalo fotsiny ireny atrikasa, fihaonana, adihevitra mandeha momba ny fanavaozana ny fampianarana ireny. Isan’ireny ilay natao farany tany Mahajanga teo, izay nifanotronan’ireo Minisitra maromaro sy teknisianina nifangaro.
Alao hery àry aloha ry ray aman-dreny isany, ka halaviro ny fahakiviana fa mbola “zo iraisana aloha hatramin’izao ny hoe mianatra, saingy mbola tsy natao ho an’ny rehetra”.