Tsy azo ihodovirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fampitam-baovao haingana hoan’ny vahoaka, manoloana ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny teknolojia misy amin’izao fotoana izao. Misy ny vokatsoa azo avy amin’izy io. Fampitam-baovao tena mahomby hoan’ny fiarahamonina tokoa, mahatonga ny fifanampiana rehefa misy ohatra ny fahaverezan’ny ankizy iray, ny fanampiana amin’ny resaka fahasalamana sy ny fahasahiranana, ny fizarana ny zavatra mahasoa sy ny sisa. Mbola mila ezaka goavana nefa ny fifehezana ny fampiasana ny tambazotra sosialy eto amintsika.
Hitondra ny jiferiny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray ny Arofanina anio. Ady iraisan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ny fampidirana mpianatra isaky ny taom-pianarana vaovao. Mila fiomanana ara-bola matanjaka mantsy ny fiatrehana azy io, na ho an’ireo mandefa ny zanany amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana izany na ihany koa ho an’ireo manana ny fahafahana mandefa ny ankizy amin’ny sekoly tsy miankina.
Dia iny niarahantsika nahita tamin’ny herinandro iny ny hetsik’ireo mpiasan’ny Jirama. Nitaintaina ny rehetra fa izay vao tsy hisy famatsiana herinaratra sy rano intsony fa hitokona ny mpiasa. Nilaza rahateo ireo mpitarika fa akatona ny birao fiasana fa eny Soanierana ny fotoana ho an’ny mpiasa rehetra teto Antananarivo. Toa nahitana fitokonana koa aza tany amin’ny faritra. Kabary mafonja no heno teny Soanierana nataon’ireo nandray fitenenana, vava re izao e! Tsy hifampidinika fa tongava ety e! Voatonontonona ny anaran’ny Solombavambahoaka malaza, nomena fe-potoana 24 ora hatramin’ny Filoham-pirenena hamaha olana.
Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana, raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo. Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco