Tsapa tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay, fa nihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby lavareny na delestazy tao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tapaka hatramin’ny ora maromaro mihitsy, ary miverina indroa na intelo izany ao anatin’ny andro iray.
Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.
Izay vao tena nifarana ny taom-pianarana 2024-2025 tao aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea. Rehefa avy niaina tebiteby, tahotra sy fitaintainana ireo tanora Malagasy dia afaka mitony sy maka bahana amin’izay, amin’ny fijerena sy ny fibanjinana ny ho avy. Tsy hihanona amin’ny fibitabitahana fotsiny hoe “Bacc en poche”. Fa aorian’ny fanadinana Bakalorea ohatran’izao mantsy no mamaritra ny ho avy arak’asan’ny tanora iray sy ny fiainana rehetra any aoriana.
Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco