Ny LFI na teti-bola lasitra ho an'ny fampiasàna ny volam-panjakana mandritra ny taona. Havadika ho lalàna eny amin'ireo Antenimiera izy io, rehefa alalinina sy fakafakaina ary ankatoavinin’ireo solombavambahoaka sy Loholona ho lalàna, isaky ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra. Mandritra ny taona manaraka no ampiharana azy, mety hisy kosa fanitsiana mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka ny volana mey amin’ny taona diavina. Dia ireny efa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireny ny sasantsasany voaraikitra anatin’io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io ho an’ny taona 2026.
Voasoritra ao fa vola mitentina 18.798.932.874.000 Ariary na 4,2 miliara dolara eo ho eo no enti-manana hanompoana ny vahoaka sy hampandehanana ny raharaham-panjakana amin’ny taona 2026 io. Vola izany ka vola, enga anie tsy ho sora-bola fotsiny satria ireo no ho tsinjaraina amina Ministera 29 sy ireo andrim-panjakana samihafa, ka antenaina tena hipaka amin’ny vahoaka na ilay fiteny hoe : miantraika amin'ny ati-vilany.
Koa satria mbola ny fitondrana teo aloha no nandrafitra ity volavolan-teti-bola ity dia maniry raha maniry ireo vahoaka mitady fiovana sy nitolona teny an-kianja ka nampirodana Fanjakana, mba hajanona avokoa ireo haingitraingitra handaniana vola fahatany, fa ilay tena maharary ny vahoaka no handaniana vola. Ohatra ny famatsiana herinaratra, ny rano, ny fampianarana, ny sakafo, ny fandriampahalemana, ny fanamboaran-dalana, ny fampitomboana ny fahefa-mividy, sns.. Iriana mba ho hita anatin’izany koa ny politikam-pitsitsiana. Toa hoe voalaza anatin’ity volavolan-dalàna ity koa ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasam-panjakana ho 14%. Aoka kosa tsy tangosana mafy ny mpandoa hetra, toy ny hetra alaina amin’ny karama izay misy 10%, 15% ary misy tafakatra 25%. Ekena fa ny hetra aloam-bahoaka ihany no avadika tamberin’andraikitra. Fa tokony lanjalanjaina ihany izany fakana hetra izany.
Efa eny am-pelatanan’ireo solombavambahoaka nanomboka ny herinandro teo moa ny bokibe mirakitra io teti-bolam-panjakàna ho an’ny taona 2026 io. Aoka kosa tsy tahaka ny hatramin’izay intsony, satria heverina fa manomboka ny fanovàna isika izao. Nambaran’ny Ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa mamaly ny hetahetam-bahoaka, ireo fitakiana samihafa nataon’ny sendika, fijerena ny karaman’ny mpiasa sns…ny LFI. Mazàna koa anefa manan-jo hametraka ny hetahetany ao ny mpamatsy vola. Tsorina manko fa mbola miankina betsaka amin’ny famatsiana avy any ivelany ny vola ampiasaina anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bola eto Madagasikara. Kajikajy sy vinavina ihany anefa izany rehetra izany, fa any amin’ireo mpanao lalàna ny baolina ! Izay holanian’izy ireo eo dia ho toavina, ary izay didin’izy ieo eo dia ho tanterahina amin’ny taona ho avy.
Fa asa na noho ilay hoe: fanavaozana tokoa angamba, fa tonga ara-potoana tany amin’ireo Solombavambahoaka ny herinandro teo io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io. Aoka mba tena hamadibadika ny vontoatin’izany ianareo Parlemantera. Ekena fa bokibe vitsivitsy an-jatonjatony pejy izy io, andaniam-potoana ny mandinika izay ao anatiny. Nefa, asa hanakaraman’ny vahoaka anareo izany, ka tokony handaniana ron-doha, hitsikeràna sy hanitsiana izay tsy mety sy tsy mahasoa ny Malagasy ny voalaza ao. Sanatriavina manko hisy solombavambahoaka tsy mahay mamaky teti-bolam-panjakana, ka tsy mahazo akory izay ao anatiny fa miandry fananganan- tànana fotsiny hatramin’izay. Hoy ny Arofanina hoe : - aoka ianareo hanova famindra, hijoro ho fitaratra amin’ny fanavaozana tian-ko tratrarina ; - sahia manova ho an’izay mahasoa ny vahoaka tsimandadiarona.
Aoka ianareo mba tsy ho « passoire », ka hipasopasoka fotsiny, ka sanatria fandalovan’izay rehetra miserana fa tsy mijoro ho sakana amin’ny tsy mety. Soloy vava eny amin’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona ny vahoaka e, mba ho solom- bava miteny fa tsy solom-bava mihinana !!!