… /… Fitohanan'ny fifamoivoizana na tohim-boivoy, na embouteillage e! Teny hilazantsika azy avokoa izany. Dia efa zary fiainana andavanandron'Antananarivo ity resaka embouteillage ity. Efa tsy hakana lagy, hoy ny fomba fiteny. Lasa eritreritra ny Arofanina fa tsy mety voavaha mihitsy io olana io, efa am-polom-polo taona maro. Ny fitomboan'ny mponina no antony voalohany mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivozana lavareny eto Antananarivo. Fantatra manko fa manodidina ny 3 tapitrisa ny mponina ao an-drenivohitra, miampy ireo mipetraka manodidina, izay mbola miasa, mivarotra, na manao raharaha hafa ao....
Rehefa mitombo ny mponina, dia mitombo torak’izany koa ny fiara mifamezivezy eny amin’ny arabe. Maherin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa no mampiasa fiara fitateram-bahoaka, izany hoe ny 70isan-jaton’ny mponina. Manginy fotsiny ireo mitondra ny fiarany manokana. Etsy ankilany anefa, zara raha mitombo ny foto-drafitrasa ho amin’izany, ka lasa mihatery ny fifamezivezena. Ny faharatsian-dalana manginy fotsiny, vao mainka mampitohana ny efa mitohana.
Efa nisy ihany ny tetik’asa lavitr’ezaka tany aloha tany. Ilay tetik’asa Grand Tana, izany hoe fanitarana an’Antananarivo amin’ny manodidina. Manomboka miitatra tokoa Antananarivo fa tsy araka ilay niheverana azy. Maro ireo manorim-ponenana ivelany, saingy tsy maintsy miditra ny renivohitra ihany isan’andro, noho ny asa aman-draharaha. Tena ahitana izany ohatra ny lalampirenena voalohany mivoaka an’Ampitatafika, Fenoarivo, sy ny manodidina iny. Mampiteny ny moana ny tohim-boivoy vao maraina. Ekena fa tena manao izay ho afany ny mpitandro filaminana mametraka paik'ady, ka natao lalandrà ho an’ny fiara ny miditra ny renivohitra isa-maraina. Fa mbola tsy mety voavaha ny olana e.
Asa… ilay tetik’asa Fly over eo amin’ny tetezan’Anosizato tamin’ny 2018 angamba no tena vahaolana. Indrisy anefa fa 7 taona aty aoriana tsy tanteraka ity tetik’asa ity. Mpitondra oviana sy iza moa no tsy nampanantena vahaolana teto, fa kajikajy politika fotsiny no betsaka. Noeritreretina fa hamaha ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ihany koa, ohatra, ny Téléferique fa hoe hitatitra olona an’arivony isan’andro. Asa raha tena namaha ny tohim-boivoy io fitaterana mikorisa an-tariby io fa dia iny natsahatra iny aloha. Tonga indray ity "train urbain", mitatitr’olona an-jatony isan’andro miditra sy mivoaka ny renivohitra, ka antenaina mba hamaha ny olan’ny ny fifamoivoizana na dia ampahany kely fotsiny aza. Nefa moa hatramin’ny rahoviana no ho zakan’ny sarambabem-bahoaka ilay 3000 Ar, efa maro sahady manko ireo mitaky ny hampidinana io saran-dalana io...
Raha tsorina dia vina lavitr’ezaka ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana miditra sy mivoaka ny renivohitra, fa indrindra ny ao ampovoan-tanan’Antananarivo renivohitra. Vao mainka mitombo izany isaky ny akaiky fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona tahaka izao, noho ny fisian’ireo olona avy amin’ny faritra maka entam-barotra ao an-drenivohitra. Zara raha misy hitsahan’ny tongotra ny eny Behoririka sy Soarano iny, satria manampy trotraka ny efa mitohana ny fitomboan’ny mpivaortra amoron-dalana. Tsy natao ho an’ny maika ny fifamoivoizanan’ Antananarivo e ! Fa antitra eo ianao, lany eny am-pandehanana ny hatanorana, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Maha-masaka tongotr’omby sy tsaramaso !
Mila vina lavitr’ezaka. Ankoatra ny fanitarana ny lalana sy ny tanàna, dia mila hirosoana koa ny fanabeazana ny mpampiasa làlana ampiarahana amin’ny fampiharan-dalàna. Atao ahoana koa anefa ny hampihatra lalàna, nefa na izay bitika kely indrindra amin’ny faritra fiampitàna aza tsy hifanajana ? Fa mba ny arabe ho an’ny fiara, ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Voakasik’izany na ny mpandeha, ny mpamily, na mpitondra môtô sy bisikileta, fa indrindra ireo mpitarika posy sy saretikely. Ambaran’ny Arofanina fa miainga amin’ny fiovan’ny toe-tsain’ny mifamoivoy tsirairay izany. Hiandry rahoviana moa fa fotoan'izany izao fanovana sy fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Atombohy dieny izao e!!