Ny malagasy dia mametraka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho soatoavina, maika lavitra noho izany àry ho an'ny kristiana satria "mitia hatramin'ny fahavalo" araka ny nangatahan'i Jesoa Kristy. Ny ray aman-dreny dia mampita io soatoavina io amin'ny zanany satria " mahita ny ataon'ireo lehibe ireo ao an-trano ny zanaka", ary mihitatra any amin'ny fiaraha-monina sy ny manodidina izany. Manampy ny mpivady hiaina ny fifankatiavana marina ny "Mariazy mirindra" ka manolotra faran'ny herinandro fototra amin'ny volana Jona.

Tompon'andraikitra isika rehetra amin'ny fandaminana sy fahazoana fifidianana tsara rindra. Amin'ny alalan'ny fametrahana soatoavina mira fahamarinana no hitondra fahitsiana bebe kokoa ho an'ny fifidianana sy ny demokrasia. Ny fahitsian'ny fifidianana no hanampy anatin'ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ary hitondra antsika rehetra ho amin'ny tena fampandrosoana maharitra.

Ilaina ny fiarahan-dia eo amin'ny samy tanora, ny tanora sy ny mpanabe, fa ilàna fananana tanjona mazava. Ialana ny fiarahana manimba, ialana ny sakana toy ny fahasamihafana satria tokony ho tombony izany mba hampiombona. Asaina ny tanora mba hikatsaka mandrakariva ny hafaliana, ny hasambarana, ny fiadanana ary ny firindràna. Entanina ho tia vavaka sy hiombona amin'Andriamanitra ny tanora mba hanorina ho avy tsara.

Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...