Ilaina ny fiarahan-dia eo amin'ny samy tanora, ny tanora sy ny mpanabe, fa ilàna fananana tanjona mazava. Ialana ny fiarahana manimba, ialana ny sakana toy ny fahasamihafana satria tokony ho tombony izany mba hampiombona. Asaina ny tanora mba hikatsaka mandrakariva ny hafaliana, ny hasambarana, ny fiadanana ary ny firindràna. Entanina ho tia vavaka sy hiombona amin'Andriamanitra ny tanora mba hanorina ho avy tsara.
Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.
Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).
Maro ny fanamby atrehintsika amin'ny angovo sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan'ny vahaolana voalohany, ny fahafantarana ny filàna sy ny tahan'ny angovo ampiasaina ao an-tokantrano mba ahafahana mitantana azy. Anisan'ny vahaolana naroso teto amin'ny fandaharana ihany koa ny fampiasana ny arina azo avy amin'ny volobe "bambou". Tombotsoa maro no azo avy aminy : kely ny "carbone" avoakany, vetivety dia mafana ka mitsitsy fotoana, tsy mandoto ary mora vidy.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco