Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.

Ny fahaizana manaja ny zokiolona, na fahaiza-miaina amin'ny ankapobeny dia miainga eo anivon'ny ankohonana. Matoa ny firenena vanona, dia olom-banona no novolavolain'ny fianakaviana, izay fototra iorenan'ny firenena iray, satria ny tsirairay tamintsika dia niainga teo anivon'ny fianakaviana. Ny fianakaviana maromaro miara-monina no nitambatra ho lasa firenena. Na eo aza ny fivoarana entin'ireo teknolojiam-pifandraisana, dia tsy ho entina hampisara-bazana ny ankohonana akory fa tokony hahatonga fihavaozana sy fivelaram-piainana aza izany, ho entina hampandroso ny firenena.

Amin'ny maha-reny ny fiangonana dia manabe sy mampita aina ny fiangonana, fa indrindra manoro ny zanany hitory ny Evanjely. Ao amin'ny Laudatu'si dia mirona amin'ny fampandrosoana kokoa ny hafatra ka amin'izany dia hoe : "raha tiana ny hampandrosoana dia omena hasina ny olona tsirairay avy, ary tokony hipaka amin'ny olon-drehetra izany tsy mijery finoana, fiaviana na fahaizana". Farany dia tompon'antoka amin'ny fampandrosoana mba ho lovain-jafy ny olona tsirairay, manaraka ny fampianaran'ny fiangonana miaraka amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakàna.

Misy filana maro eo amin'ny olombelona, ary tena ilaintsika amin'ny fahavelomantsika mihitsy aza. Ny tsy fahaizana mifehy ireny filana isan-karazany ireny dia mitarika tsy fanajana ny fahamendrehantsika sy ny fahamendrehan'ny hafa

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...